المسد
The Palm Fiber • 5 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Aoka ho levona ireo tànana roan’i Abo Lahab, ary ho levona koa ny tenany.
2Tsy nahavita na inona na inona taminy ny hareny sy izay nangoniny.
3Ka hodorana ao anaty afo miredareda izy.
4Toy izany koa ny vadiny izay mitondra hazon-kitay feno tsilo,
5ho eny am-bozony ny tady mafy vita amin'ny kofehy madinika.