الكافرون
The Disbelievers • 6 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Lazao hoe : "O ! Ianareo tsy mpino,"
2Izaho dia tsy manompo izay tompoinareo.
3Ary ianareo koa dia tsy manompo izay tompoiko.
4Eny ! tsy hanompo izay tompoinareo aho na oviana na oviana !
5Ary ianareo koa dia tsy hanompo izay tompoiko.
6Ho anareo ny fivavahanareo, ary ho ahy kosa ny fivavahako !