As-Sajdah

السجدة

The Prostration30 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

الٓمٓ﴿١

1Alif, Làm, Mìm

تَنزِيلُ ٱلۡكِتَٰبِ لَا رَيۡبَ فِيهِ مِن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٢

2Ny fidinan’ny boky, dia tsy misy fisalasalana ny ao anatiny, avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.

أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۚ بَلۡ هُوَ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ لِتُنذِرَ قَوۡمٗا مَّآ أَتَىٰهُم مِّن نَّذِيرٖ مِّن قَبۡلِكَ لَعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ﴿٣

3Hilaza ve izy ireo fa noforonin'i (Mohammad) izany ? Nefa tsy izany akory, fa izy ity kosa dia Fahamarinana avy amin’ny Tomponao mba ho fampitandremana ny vahoaka izay tsy mbola nisy mpampitandrina teo alohanao tonga teo amin’izy ireo, angamba ho voatari-dàlana izy ireo.

ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ مَا لَكُم مِّن دُونِهِۦ مِن وَلِيّٖ وَلَا شَفِيعٍۚ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ﴿٤

4Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, tao anatin’ny enin'andro. Avy eo dia nitoetra teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Ary tsy manana mpiahy, na mpanelanelana ankoatra Azy ianareo.Tsy tsaronareo ve izany ?

يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ثُمَّ يَعۡرُجُ إِلَيۡهِ فِي يَوۡمٖ كَانَ مِقۡدَارُهُۥٓ أَلۡفَ سَنَةٖ مِّمَّا تَعُدُّونَ﴿٥

5Tantanany avokoa ny raharaha rehetra any an-danitra sy ety an-tany, avy eo dia miakatra any Aminy (ny raharaha rehetra) ao anatin’ny andro iray, ka ny faharetan’izany dia mitovy amin’ny arivo taona amin’ny fanisanareo.

ذَٰلِكَ عَٰلِمُ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ﴿٦

6Izy Ilay Mahalala (izao tontolo izao) ny miafina sy ny hita maso, Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo,

ٱلَّذِيٓ أَحۡسَنَ كُلَّ شَيۡءٍ خَلَقَهُۥۖ وَبَدَأَ خَلۡقَ ٱلۡإِنسَٰنِ مِن طِينٖ﴿٧

7Izay nandavorary ny rehetra nohariany. Ary nanomboka ny fahariana ny olombelona Izy avy amin’ny vovoky ny tany.

ثُمَّ جَعَلَ نَسۡلَهُۥ مِن سُلَٰلَةٖ مِّن مَّآءٖ مَّهِينٖ﴿٨

8Avy eo dia nataony avy tamin’ny tete-drano malemy (tsirin'aina) ny taranany.

ثُمَّ سَوَّىٰهُ وَنَفَخَ فِيهِ مِن رُّوحِهِۦۖ وَجَعَلَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ﴿٩

9Avy eo dia nomeny vatana tsara endrika izy, ka notsofiny tao aminy ny fofon’aina avy Aminy. Ary nataony eo aminareo ny fandrenesana, ireo maso sy ny fo. Zara raha mankasitraka ianareo !

وَقَالُوٓاْ أَءِذَا ضَلَلۡنَا فِي ٱلۡأَرۡضِ أَءِنَّا لَفِي خَلۡقٖ جَدِيدِۭۚ بَلۡ هُم بِلِقَآءِ رَبِّهِمۡ كَٰفِرُونَ﴿١٠

10Ary niteny izy ireo hoe : “Rehefa very ao anatin’ny tany (ho lasa vovoka ) izahay, dia hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? Raha ny marina, dia tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo.

۞ قُلۡ يَتَوَفَّىٰكُم مَّلَكُ ٱلۡمَوۡتِ ٱلَّذِي وُكِّلَ بِكُمۡ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُمۡ تُرۡجَعُونَ﴿١١

11Teneno hoe : “Haka ny fofon'ainareo ilay anjelin'ny fahafatesana, izay miahy anareo. Avy eo dia haverina any amin’ny Tomponareo ianareo”.

وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلۡمُجۡرِمُونَ نَاكِسُواْ رُءُوسِهِمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ رَبَّنَآ أَبۡصَرۡنَا وَسَمِعۡنَا فَٱرۡجِعۡنَا نَعۡمَلۡ صَٰلِحًا إِنَّا مُوقِنُونَ﴿١٢

12Raha hitanao ireo mpanao heloka bevava, mitanondri-doha eo anoloan’ny Tompony izy ireo ! “Tomponay ô ! Nahita sy nandre izahay, koa avereno àry izahay mba hanao ny tsara; tena marina fa mino tanteraka izahay (ankehitriny)”.

وَلَوۡ شِئۡنَا لَأٓتَيۡنَا كُلَّ نَفۡسٍ هُدَىٰهَا وَلَٰكِنۡ حَقَّ ٱلۡقَوۡلُ مِنِّي لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ ٱلۡجِنَّةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ﴿١٣

13Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Kanefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko : “ Tena ho fenoiko ireo jiny sy ireo olombelona ny Afobe”.

فَذُوقُواْ بِمَا نَسِيتُمۡ لِقَآءَ يَوۡمِكُمۡ هَٰذَآ إِنَّا نَسِينَٰكُمۡۖ وَذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡخُلۡدِ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿١٤

14Andramonareo àry ! Nohon'ny nanadinoanareo ny fihaonana amin’ity andronareo ity. Tena marina fa nanadino anareo koa izahay. Andramonareo ny famaizana mandrakizay noho izay nataonareo”.

إِنَّمَا يُؤۡمِنُ بِـَٔايَٰتِنَا ٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِّرُواْ بِهَا خَرُّواْۤ سُجَّدٗاۤ وَسَبَّحُواْ بِحَمۡدِ رَبِّهِمۡ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ۩﴿١٥

15Ny tena mino ireo fanambaranay dia ireo izay, rehefa ampahatsiahivana azy ireo izany, dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka mankalaza sy midera ny voninahitry ny Tompony, ary tsy feno fiavonavonana izy ireo.

تَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمۡ عَنِ ٱلۡمَضَاجِعِ يَدۡعُونَ رَبَّهُمۡ خَوۡفٗا وَطَمَعٗا وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ﴿١٦

16Miarina, miala ny fandriana izy ireo, mba hitalaho amin’ny Tompony, amim-patahorana sy amim-panantenàna ary manao asa fanomezana izy ireo, amin’izay nomenay azy.

فَلَا تَعۡلَمُ نَفۡسٞ مَّآ أُخۡفِيَ لَهُم مِّن قُرَّةِ أَعۡيُنٖ جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ﴿١٧

17Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo.

أَفَمَن كَانَ مُؤۡمِنٗا كَمَن كَانَ فَاسِقٗاۚ لَّا يَسۡتَوُۥنَ﴿١٨

18Moa ve mitovy ny mpino sy ny mpanao asa ratsy ? (Tsia !) Tsy mitovy velively izy ireo !

أَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَلَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلۡمَأۡوَىٰ نُزُلَۢا بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ﴿١٩

19Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireo ny fonenana ao amin’ireo zaridainan’ny fialofana, ho valisoan’ny asa nataon’izy ireo.

وَأَمَّا ٱلَّذِينَ فَسَقُواْ فَمَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُۖ كُلَّمَآ أَرَادُوٓاْ أَن يَخۡرُجُواْ مِنۡهَآ أُعِيدُواْ فِيهَا وَقِيلَ لَهُمۡ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلنَّارِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ﴿٢٠

20Fa ho an’ireo izay manao ny asa ratsy kosa, ny fialofan’izy ireo dia ny Afobe. Isaka ny maniry ny hiala ao izy ireo, dia averina ao, ary hotenenina izy ireo hoe : “Andramanareo ny famaizan’ny Afobe izay nolazainareo fa lainga”.

وَلَنُذِيقَنَّهُم مِّنَ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَدۡنَىٰ دُونَ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَكۡبَرِ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ﴿٢١

21Tena hampandramananay ny famaizana eto an-tany izy ireo, alohan’ny famaizana lehibe (any an-koatra), angamba hiverina izy ireo (amin’ny làla-mahitsy) !

وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦ ثُمَّ أَعۡرَضَ عَنۡهَآۚ إِنَّا مِنَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ مُنتَقِمُونَ﴿٢٢

22Ary iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra amin’izay nampahatsiahivana ny fanambaran'i Tompony, avy eo, dia mitodi-damosina amin’izany ? Tena marina fa Izahay dia hamaly ireo mpanao heloka be vava.

وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ فَلَا تَكُن فِي مِرۡيَةٖ مِّن لِّقَآئِهِۦۖ وَجَعَلۡنَٰهُ هُدٗى لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ﴿٢٣

23Ary tena efa nomenay an’i Mosa ny Boky, koa aoka ianao tsy hanana fisalasalana amin’ny fihaonana aminy (Mosa), ary nataonay ho mpitari-dàlana ireo zanak’Israely izy.

وَجَعَلۡنَا مِنۡهُمۡ أَئِمَّةٗ يَهۡدُونَ بِأَمۡرِنَا لَمَّا صَبَرُواْۖ وَكَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يُوقِنُونَ﴿٢٤

24Ary nanendry mpitarika maro avy tamin’izy ireo Izahay, izay nitari-dàlana (ny vahoaka) araka ny didinay, noho izy ireo nanana faharetana sy tena nino ireo fanambaranay.

إِنَّ رَبَّكَ هُوَ يَفۡصِلُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ﴿٢٥

25Tena marina fa ny Tomponao, Izy no hanapaka amin’izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana, izay tsy nampitovy hevitra azy ireo.

أَوَلَمۡ يَهۡدِ لَهُمۡ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَبۡلِهِم مِّنَ ٱلۡقُرُونِ يَمۡشُونَ فِي مَسَٰكِنِهِمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍۚ أَفَلَا يَسۡمَعُونَ﴿٢٦

26Moa ve tsy manoro làlana azy ireo izy, fa firifiry no naringanay talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka, tao amin’ireo trano izay diavin’izy ireo ? Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ! Moa ve tsy mihaino izy ireo ?

أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا نَسُوقُ ٱلۡمَآءَ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ٱلۡجُرُزِ فَنُخۡرِجُ بِهِۦ زَرۡعٗا تَأۡكُلُ مِنۡهُ أَنۡعَٰمُهُمۡ وَأَنفُسُهُمۡۚ أَفَلَا يُبۡصِرُونَ﴿٢٧

27Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Izahay dia manosika ny rano mankany amin’ny tany karakaina, manarak’izany dia avoakanay (nampanirianay) ny voly mba ho hanin’ny biby fiompiny, sy izy ireo ihany koa. Moa tsy mba hitan’izy ireo va izany ?

وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡفَتۡحُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ﴿٢٨

28Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana izany fandresena izany, raha marina ny anareo ?”

قُلۡ يَوۡمَ ٱلۡفَتۡحِ لَا يَنفَعُ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِيمَٰنُهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ﴿٢٩

29Teneno hoe : “Amin’ny andro Fandresena, dia tsy misy fiantraikany amin’ireo tsy mpino intsony ny finoany ! Ary tsy misy fe-potoana omena azy ireo intsony.”

فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ وَٱنتَظِرۡ إِنَّهُم مُّنتَظِرُونَ﴿٣٠

30Alavironao izy ireo, ka miandrasa, ary izy ireo koa dia eo am-piandrasana.

RELATED SURAHS