غافر
The Forgiver • 85 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Hà, Mîm.
2Ny Fidinan’ny boky, dia avy amin’I Allah, Ilay Tsitoha, Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.
3Ilay Mpamela ny fahotana, Ilay Mpandray ny fibebahana, Ilay Mafy amin’ny fanasaziana, Ilay fatra Mpangoraka. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy ihany, ary any Aminy no fiafarana.
4Izay tsy mino ihany no miady hevitra amin’ireo andininy avy amin’I Allah, aoka tsy hamitaka anao izay ataon’izy ireo amin’ny firenena.
5Niampanga ho mpandainga an’ireo Iraka ny vahoakan’i Noa, toy izany ihany koa ireo antoko nitambatra taorian’izy ireo, ary samy nanana fikasana ny hisambotra ny Iraka tao aminy ny vahoaka tsirairay, ka niady hevitra tamin’ny hevi-diso izy ireo, mba hitsipahana ny marina. Ka nosaziako izy ireo, ary nanao ahoana ny fandehan’ny saziko !
6Ary izany dia manamarina ny tenin’ny Tomponao, izay hihatra amin’ireo tsy mpino, fa izy ireo dia ho olon’ny afo.
7Ireo Anjely izay mitondra ny Seza fiandrianana, sy ireo izay manodidina izany, dia mankalaza ny voninahitrin'ny Tompony, mino Azy izy ireo, ary mangataka famelan-keloka ho an’izay mino hoe : “ Tomponay ô! Manenika ny zava-drehetra Ianao amin’ny indrafo sy Fahalalana. Koa mamela heloka izay mibebaka sy manaraka ny lalanao, ary arovy amin’ny sazin’ny Afobe izy ireo ”.
8“ Tomponay ô ! Ampidiro amin’ny Zaridainan’i Edena izy ireo, izay nampanantenainao azy, toy izany ihany koa ireo izay tsara fitondran-tena tamin’ireo razambeny, ny vadiny sy ny taranak’izy ireo. Marina fa Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be fahendrena ”.
9“ Ary arovy amin’ny asa ratsy izy ireo. Satria izay arovanao amin’ny asa ratsy, dia homenao famindram-po amin’io andro io. Izany no fahombiazana lehibe tokoa ”.
10Hamafisina, fa toy izao no hambara an’ireo tsy mino : “Lehibe kokoa ny fankahalan’I Allah anareo, noho ny fankahalanareo ny tenanareo, rehefa nantsoina ho any amin’ny finoana ianareo, kanefa nifikitra tamin’ny tsy finoana ihany”.
11Hiteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Nataonao indroa maty izahay, ary novelominao indroa ihany koa, ka miaiky ny fahotanay izahay. Moa misy lalana mety hivoahana amin’izany ve ? ”
12Izany no izy, satria rehefa nantsoina irery I Allah, dia tsy mino ianareo, fa rehefa akambana amin’ny zavatra hafa Izy, dia nino ianareo. An’I Allah ny Fitsarana ! Ilay avo indrindra, ilay lehibe tokoa.
13Izy no mampiseho aminareo ireo porofo avy Aminy, sy mampidina ny anjaram-pivelomana ho anareo avy any an-danitra. Ary tsy misy mahatsiaro, afa-tsy izay miverina amin’I Allah ihany.
14Koa mitalahoa amin’I Allah ianareo, ary atokano ho Azy irery ny fivavahanareo, na dia halan’ireo tsy mpino aza izany.
15Izy no Ilay manandratra amin’ny ambaratonga avo indrindra, Tompon’ny Seza fiandrianana. Izy no mibaiko ny Fanahy ho amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, mba hampitandremany ny amin’ilay andro fihaonana,
16Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, ka tsy hisy hiafenan’izay nataon’izy ireo amin’I Allah amin’izany. An’iza ny fanjakana androany? An’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
17Amin’izany andro izany, dia homena valin-kasasarana araka ny asa izay nataony ny olona tsirairay avy. Ka tsy hisy fiangarana amin’izany andro izany, satria haingam-pitsarana tokoa I Allah.
18Ary ampitandremo azy ireo ilay andro efa manakaiky, rehefa mihoatra any an-tenda ny fo (ny fanahy), mitebiteby. Dia tsy hanana namana mafana fo, na mpanelanelana hankatoavina ireo mpanao ny tsy rariny.
19Mahafantatra ny fitaky ny maso Izy (Allah), sy izay afenin’ny tratra (fo).
20Ary mitsara amim-pahamarinana I Allah, nefa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy kosa, dia tsy mitsara na inona na inona. Hamafisina, fa mandre sy mahita ny zava-drehetra I Allah.
21Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahita izay nahazo ireo talohan’izy ireo ? Natanjaka noho izy ireo anefa izy ireny, sady namela zavatra maromaro kokoa. Nosazian’I Allah noho ny fahotany izy ireny, ka tsy nanana mpiaro teo anatrehany mihitsy.
22Toy izany, satria nitondran’ireo Iraka porofo izy ireo, nefa nikomy. Ka nosazian’I Allah izy ireny, satria matanjaka sady mafy amin’ny fanasaziana Izy.
23Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy taminay,
24Tamin’i Faraona, Hamana ary Karona. Nefa niteny izy ireo hoe : “ mpanao majika, fatra mpandainga ! ”
25Ary rehefa nitondra ny fahamarinana avy Aminay teo amin’izy ireo izy, dia hoy izy ireo hoe: “Vonoy ireo zanaka lahin’ireo mpino miaraka aminy, fa avelao ho velom-poana kosa ireo vehivaviny”. Fa very maina ihany ny tetik’adin’ireo tsy mpino.
26Hoy i Faraona hoe : “Avelaonareo aho hamono an’i Mosesy. Ary aoka izy hiantso ny Tompony! Matahotra aho, sao hamadika ny finoanareo, na hanaparitaka asa fanimbana eto an-tany izy".
27Fa hoy i Mosesy hoe : “ Mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba hanoherana ireo mpirehareha rehetra izay tsy mino ny andro fitsarana”.
28Fa hoy ny lehilahy mpino iray avy amin’ny fianakavian’i Faraona, izay nanafina ny finoany nilaza hoe: “ hamono olona ve ianareo, satria izy nilaza hoe: Allah no Tompoko ? Kanefa dia tonga teo aminareo niaraka amin’ny porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo. Raha mpandainga izy, dia ho azy ny laingany, fa raha nilaza ny marina kosa izy, dia hihatra aminareo ny ampahany amin’izay nampitandremany anareo ”. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana izay mihoam-pefy sy fatra mpandainga I Allah.
29Ô ry vahoakako! Ho anareo ny fanjakana androany, fa ho mpandresy eto an-tany ianareo. Nefa, iza no hanavotra antsika amin’ny hatezeran’I Allah raha tonga amintsika izany? Dia hoy i Faraona hoe: “Tsy manoro anareo afa-tsy izay heveriko ho tsara aho, ary tsy mitari-dalana anareo aho raha tsy amin’ny lalana mahitsy”.
30Ary hoy ilay mpino hoe : “ Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ilay andro iray mitovy amin’ny an’ireo antokon’olona nitambatra",
31Anjara mitovy amin’ny an’ireo vahoakan’i Noa (Nouh), ireo Ády, ireo Thamody, ary ireo niaina taorian’izy ireo. Fa tsy te-hampihatra ny tsy rariny amin’ireo mpanompony velively i Allah.
32Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ny andro hifampiantsoanareo vonjy,
33Amin’ny andro izay handosiranareo, ka tsy hanananareo mpiaro eo anatrehan’I Allah. Ary izay noverezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitari-dalana velively.
34Ary hamafisina, fa teo aloha, dia tonga teo aminareo niaraka tamin’ny porofo mazava tokoa i Josefa (Yousouf), saingy tsy nitsahatra nisalasala hatrany tamin’izay noentiny taminareo ianareo. Fa rehefa maty izy, dia hoy ianareo hoe: “tsy handefa Iraka aoriany intsony I Allah”. Toy izany no hamerezan’I Allah lalana ireo mpihoam-pefy sy mpisalasala.
35Izay miady hevitra momba ireo fahagagana avy amin’I Allah, kanefa tsy misy porofo tonga teo aminy, dia tsy hankasitrahana tokoa eo anatrehan’I Allah sy ireo mpino izy. Toy izany no hanidian’I Allah ny fon’izay rehetra mpirehareha sy mpanjakazaka.
36Ary hoy i Faraona hoe : “ Ô ry Hamana ! Anoreno tilikambo aho, mba hahatakatra ireo llana.
37Ireo lalan’ny lanitra, ka hitazanako ny Tompon’i Mosesy, satria heveriko, fa mpandainga izy”. Ary tahaka izany no nampihaingoana tamin’i Faraona ny asa ratsy izay nataony ho tsara, ary dia nihataka ny lalana mahitsy izy, ka natao ho rava ihany ny tetik’adin’i Faraona.
38Ary hoy ilay mpino hoe : “ ry vahoakako ! Manaraha ahy ianareo, fa ho tarihiko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianareo ”.
39“ Ry vahoakako! Hamafisina, fa fahafinaretana mandalo ihany ity fiainana eto an-tany ity, fa ny any ankoatra kosa no fonenana maharitra ”.
40Izay manao asa ratsy, dia tsy ho valiana afa-tsy mitovy amin’izany ihany, fa izay lehilahy na vehivavy manao asa soa kosa, sady mpino, dia izy ireny no hiditra amin’ny Paradisa, ka hahazo ny anjaram-pivelomany tsy hisy fetrany izy ireo.
41Ô ry vahoakako! Inona no mahatonga ahy hiantso anareo ho any amin’ny famonjena, nefa ianareo miantso ahy ho any amin’ny afo ?
42Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
43Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo.
44Tsy ho ela dia ho tsaroanareo izay ambarako anareo, ary dia ankiniko amin’I Allah ny momba ahy. Fa mahita ireo mpanompony tokoa I Allah.
45Dia niarovan’I Allah izy tamin’ny teti-dratsin’izy ireo, efa nanodidina ireo olon’i Faraona kosa ny famaizana ratsy indrindra.
46Ny afo no handoro azy ireo marain-tsy hariva. Ary amin’ny andro hahatongavan’ilay ora (hilazan’ireo Anjely) hoe: “ampidiro ireo olon’i Faraona amin’ny famaizana mafy indrindra”.
47Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”
48Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah.
49Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”.
50Hiteny izy ireo hoe : “ Moa tsy efa nitondra porofo mazava taminareo ve ireo Iraka nalefa taminareo ? ”. Dia hamaly izy ireo hoe : “ Eny ! ”. Hiteny ireo mpiambina hoe : “ raha izany áry, dia mangataha ianareo. Fa ny fangatahan’ireo tsy mpino dia ho zava-poana ”.
51Hamafisina, fa manavotra ireo Irakay sy ireo izay mino Izahay amin’ny fiainana eto an-tany sy amin’ny andro izay hitsanganan’ireo vavolombelona,
52Amin’ny andro izay tsy hahasoa an’ireo mpanao ny tsy rariny ny fialan-tsininy, ka ho azy ireo ny ozona sy ny fonenana ratsy indrindra.
53Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny tari-dalana, ary nampandovainay an’ny zanak’Israely ny boky,
54Izay ho tari-dalana sy fampahatsiarovana ho an’ireo olona manan-tsaina.
55Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina.
56Ireo izay miady hevitra momba an’ireo andininy avy amin’I Allah, nefa tsisy porofo tonga tamin’izy ireo akory, dia tsy misy afa-tsy fireharehana ny ao am-pony. Tsy hahatratra ny tanjony izy ireo. Ka mangataha áry fiarovana avy amin’I Allah, satria Izy Ilay mandre sy mahita ny zava-drehetra.
57Lehibe kokoa noho ny fahariana ny olombelona ny fahariana ny lanitra sy ny tany. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olombelona.
58Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!
59Hamafisina, fa ho avy tokoa ilay ora, tsy misy hisalasalana ny amin’izany, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
60Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
61Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
62Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
63Toy izany no nampivily lalana an’ireo nandà ny famantarana avy amin’I Allah.
64Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.
65Izy no Ilay velona. Tsy misy zanahary afa-tsy Izy ihany. Mangataha Aminy àry ianareo, ary atokany ho Azy irery ihany ny finoana. Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
66Lazao hoe : “ Efa nandrarana ahy, hatramin’ny nahatongavan’ireo porofo avy tamin’ny Tompoko, ny hanompo izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, ary nodidiana hankato ny Tompon’izao tontolo izao aho ”.
67Izy no nahary anareo avy tamin’ny tany, avy eo, dia avy tamin’ny tsirin’aina, ary avy eo, dia avy tamin’ny vongan-drà, ary manaraka izany dia avoakany ho zazakely ianareo, mba hahatratraranareo ny fahamatorana, avy eo ny fahanterana. Ary ny sasany aminareo dia maty mialoha, mba hahatratraranareo ny fe-potoana voafetra, ka mba hisainanareo.
68Izy no manome ny fahavelomana sy ny fahafatesana. Ary rehefa mandidy amin’ny zavatra iray Izy, dia izao ihany ny teniny : “ Misia ”, dia misy tokoa izany.
69Tsy hitanao ve ny nampivily lalana ireo izay miady hevitra momba ireo andininy avy amin’I Allah ?
70Ireo izay miampanga ny Boky (Koroany) ho lainga, sy izay nampiarahinay tamin’ireo Irakay, dia hahafantatra tsy ho ela izy ireo,
71Rehefa ho taritarihina, miaraka amin’ny gadra-vy eny am-bozonana sy rojo izy ireo,
72Ao anatin’ny rano mangotraka, ary avy eo dia ho dorana ao anaty afo izy ireo.
73Ary avy eo, dia hilazana izy ireo hoe : “ Aiza ireo natambatrareo?"
74Tamin’I Allah ? ”. Dia hoy izy ireo hoe : “ Niala taminay izy ireo. Nefa tsy nangataka na tamin’iza na iza izahay taloha ”. Toy izany no amerezan’I Allah ireo tsy mpino.
75Izany no valin’ny fifalianareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, ary koa ny haravoanareo tafahoatra.
76Midira amin’ireo varavaran’ny afobe ianareo, mba hitoetra ao mandrakizay. Ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena!
77Koa mahareta, fa marina ny fampanantenan'I Allah. Na asehonay anao ny ampahany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na esorinay ny ainao [na ho vonoinay alohan’ny fotoana ianao], dia any Aminay ihany no hamerenana azy ireo.
78Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga.
79Fa I Allah no nanao ireo biby, mba ho fitainginareo sy ho fihinanareo,
80Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo.
81Dia hasehony anareo ny famantarana avy any Aminy. Koa inona ary no famatarana avy amin’I Allah ho lavinareo ?
82Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahitany ny niafaran’ireo izay niaina talohany ? Fa maro sady matanjaka kokoa izy ireo, ary nametraka zavatra maro teto an-tany. Nefa tsy nisy nilan’izy ireo izay azony akory.
83Rehefa nitondra porofo mazava taminy ireo Iraka, dia nifaly tamin’ny fahalalana nananany izy ireo, ka dia voasaron’izay noesony izy ireo.
84Ary rehefa nahita ny loza avy taty aminay izy ireo, dia niteny hoe : “ Mino an’I Allah tokana izahay, ary mandà izay natambatray taminy ”.
85Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino.